<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Ravoravo re ny foko FFPM521</title>
<lyrics>[V1]
 Ravoravo re ny foko,
 Fa Jesosy ao am-poko,
 Izy no tsaroako
 Amin'ny alehako.

[V2]
 Andro fohy, mora lany
 No mba ahy atý an-tany,
 Fa ny ao an-danitra
 Dia tsara lavitra.

[V3]
 Tsy mba misy ota any,
 Ka tsy hisy hitomany,
 Tsy mba hisy ny manjo,
 Na ny alahelom-po.

[V4]
 Any aho no hahazo
 Zava-tsoa tsy halazo,
 Satroboninahitra,
 Haingon'ny nanafika.

[V5]
 Dia ao no hahitako
 Sady tena hiderako
 An'i Jeso avotro.
 Mifalia re, ry fo !</lyrics>
<hymn_number>521</hymn_number>
<author>A.P. Berggreen</author>
</song>